Le terroir et son double Tsarahonenana 1966-1992 (Madagascar)

Nitari-dàlana ho amin'ny fandalinana ny ara-kolontsainan'ny rafi-piaraha-monina any Mélanésie, lafiny jeografy, i Joël Bonnemaison. Tamin'ny faritra iray anivon'ny afovoan-tany malagasy, Tsarahonenana (Lemak'Ambohibary, Vakinankaratra) no nanombohany ny fikarohany. Roa polo...

Descripción completa

Detalles Bibliográficos
Autor principal: Blanc-Pamard, Chantal (-)
Otros Autores: Rakoto Ramiarantsoa, Hervé, Bonnemaison, Joël
Formato: Electrónico
Idioma:Francés
Publicado: Marseille : IRD Éditions 2017.
Materias:
Ver en Biblioteca Universitat Ramon Llull:https://discovery.url.edu/permalink/34CSUC_URL/1im36ta/alma991009437807206719
Descripción
Sumario:Nitari-dàlana ho amin'ny fandalinana ny ara-kolontsainan'ny rafi-piaraha-monina any Mélanésie, lafiny jeografy, i Joël Bonnemaison. Tamin'ny faritra iray anivon'ny afovoan-tany malagasy, Tsarahonenana (Lemak'Ambohibary, Vakinankaratra) no nanombohany ny fikarohany. Roa polo taona taty aoriana dia niverina tamin'io faritra io i Chantai Blanc Pamard sy Hervé Rakoto Ramiarantsoa, mpikaroka amin'ny taranja jeografy, handinika izay fiovàna nisy nandritry izay fe-potoana izay. Maka lafiny roa ity fiverenana tany an-toerana ity : sady niantefa taminy Tsarahonenana no nijery akaiky an'Andranomangamanga, ilay « efitra » any antendrombohitr'Ankaratra nalain'ny mponina tamin'ny taona 1967. Ity boky ity dia maka endrika teny ifanakalozana amin'izay efa nosoratan'i Joël Bonnemaison. Maro ny loha-hevitra voavaofy ao, miainga avy amin'ny zavaniova hita maso : ny habetsahany mponina voavelon'ny faritra, ny fitantànan'ny eo an-toerana ny tontolo iainana, ny fomba fanao ho fanamasahana ny tany, ny heriny lasitra ara-kolontsaina, ny fitrangàn'ny fari-tany... Ny resaka fampandrosoana no fototra amin'izany rehetra izany. Mitantara ny fianarany ny fomba amam-panaon'ny mpandalina jeografy i Joël Bonnemaison, any amin'ny faran'ny boky, no sady milaza koa ny fahitany indray an'io toerana nanaovany fikarohana voalohany io. Ny heviny manokana mikasika ny fivoaran'ny eny ambanivohitra no velariny. Anisan'ny asa farany nosoratany ity boky ity. Ilay faritra malagasy tsy nohadinoiny no iantefan'izany, ary izay voasoratra dia tena mitondra fampianarana ny amin'ny atao hoe jeografy ara-kolontsaina. Maro ny sary voarakitra ao anatin'ny boky, ary ny mpiandany amy ny (University, ireo izay manana andraikitra amin'ny fampandrosoana, ary koa izay rehetra liana amin'ny tany an-dalam-pandrosoana no iantefany. Mampitohy ny omaly sy ny anio i Tsarahonenana no sady maneho endrika vaovao amin'ny fomba fiainan'ny any ambanivohitra, amin'ny tany an-dalam-pandrosoana. Avant de fonder une géographie…
Descripción Física:1 online resource (254 p.)
ISBN:9782709923194